Mitafo lanitra ny biraon’ny kaominina ao Kianjandrakefona-Ambositra ankehitriny, betsaka ireo zavatra simba. Saingy soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy.
Ny zoma 18 novembra lasa teo, tokony tamin’ny fiandohan’ny tolakandro, dia nisy ny orana nikija narahin’ny rambon-danitra naherivaika tao amin’ny renivohitry ny kaominina Kianjandrakefona, ao anatin’ny distrikan’Ambositra. Noho izany, dia betsaka ny zavatra simba, araka ny filazan’ny ben’ny tanàna Razafimantanoly Noël. Lasan’ny rambon-danitra avokoa ny tafon’ny biraon’ny kaominina, nihotsaka ao anatin’ny trano avokoa ny briky, ny tapenaka, ny « plafond ». Vokatr’izany, dia lena ireo antotan-taratasy rehetra, ny fanaka, sns… Tao amin’ny “lycée”, dia nisy ny ampahan’ny tafo lasan’ny rivotra. Toy izany ihany koa ny tamboho rava tanteraka. Lasan’ny rivotra ihany koa ny ampahan’ny tafon’ny tobim-pahasalamana any an-toerana, sy ny trano fonenan’olona vitsivitsy. Soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy, hoy ihany ny ben’ny tanàna.
Tonga tany an-toerana, ny asabotsy lasa teo, ny solombavambahoaka Razakamady, nijery ny zava-misy ary nankahery ny mponina any an-toerana. Nanao antso ho an’ny mpitondra fanjakana sy ireo olona tsara sitrapo, ny depiote Razakamady, mba hifanome tanana amin’ny fanamboarana ny biraon’ny kaominina, araka ny firaisankina mampalaza iny faritra Imady iny.
Anastase