Nisehoana vaky trano indray teny amin’ny faritra Ankasina , Afak’omaly , tokony ho tamin’ny 2 ora maraina teo. Araka ny vaovao voaray dia voalaza fa very tao anatin’izany avokoa ireo vola tahiry rehetra an’ny tompon’ity trano ity , izay fantatra fa niaraka tamin’ny finday lafo vidy, fa indrindra ireo entana rehetra tao amin’ny trano . Araka ny fanazavan’ny tompon’ity trano vaky ity dia manana trano roa izy ary ifandimbiasany ipetrahana avokoa ireo trano ireo. Sendra tsy tao amin’ ilay trano iray izy no nitranga izao vaky trano izao. Araka ny fanazavany hatrany dia misy ny olona ahiahiany momba ity vaky trano ity, izay olona akaiky ny trano fonenany ihany. « Misy olona izay eo akaikinay , ary miresaka amiko izy io , talohan’ny vaky trano dia nanontany ny lalana miditra ao an-trano izy » ka izay no ananako ahiahy aminy. Hoy hatrany ny fitantaran’ny tompony trano vaky. Mitentina dimy tapitrisa ny vola voalaza fa very ary ny finday kosa dia voalaza fa 2 hetsy ariary . Nampiakatra avy hatrany ny raharaha ny tompon’ny trano ka voatazona vokatr’izany ity lehilahy noahiana ho nahavita ny vaky trano ity. Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa tsy tao an-trano ity lehilahy ity , nandritra ny vaky trano, rehefa nanontaniana ny vadiny dia nanamarina izany fa tsy nody ity farany tamin’io andro io. Efa nidoboka any am-ponja kosa ity lehilahy ity ankehitriny.
FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)



