Tontosa soamantsara ny fandalovan’ny mpanjaka Marokana sy fametrahana ilay vato fehizoron’ny fotodrafitrasa atsangana eto Antsirabe omaly Alarobia. Raha tokony ho tamin’ny 1 ora atoandro ny fotoana nomena fa higadonan’ity mpanjaka Marokana ity miaraka amin’ny filoham-pirenena dia efa tamin’ny 2 ora sy 15 kosa vao tonga teo Ambohimanarivo toerana hananganana ilay fotodrafitrasa ry zareo sy ireo delegasona niaraka taminy. Fotoana fohy anefa dia vita ny lanonana, tao anatin’ny 10 minitra monja dia vita avokoa fitsidihana sy ny fametrahana ilay vato fehizoro. Hafa kely mihitsy ity fametrahana ilay vato fehizoro ity satria tsy mba nisy fandraisana angady fa ireny milina lehibe ireny no nalefa tery amin’ny sisiny tery ho mariky ny fanombohan’ny asa. Maro koa no diso fanantenana niandry izay mety ho lahateny na an’ilay mpanjaka na ny filoham-pirenena fa samy tsy nisy nandray fitenana avokoa izy ireo na dia arahaba ho an’ny vahoaka fotsiny ihany aza. Ny fikarakarana anefa nakotrokotra dia nakotroka , fantatra mantsy fa nisy ny fanangonan’olona hanatrika ity fandalovan’ny filoham-pirenena sy ny mpanjaka Marokana ity , isan’izany ny fitadiavana olona 80 isa isaky ny fokontany, hotanterina hanatrika ity lanonana ity. Ankaotra izay ireo mpianatra maro be nameno ny sisin’arabe, hanofaofa tànana, ity farany izay efa fomba mahazatra ny eto Antsirabe mihitsy isaky ny misy mpitondra mandalo. Niaritra ny orana, ny hanoanana ary dia an-tongatra ireo mpianatra satria tamin’ny 10 ora maraina dia efa nasaina nitandahatra amin’ny sisin’ny arabe ireo ankizy maro be avy amin’ny sekoly maromaro eto Antsirabe. Hita taratra tao ihany koa ireo ben’ny tanàna am-polony maro notronon’ny sefo distrika sy ny mpiasam-panjakana io tolakandro io tsy niasa fa nanatrika ity fotoana ity.
Nikatso tanteraka ary niaritra ora maro ny fifamoivoizana tamin’ny lalam-pirenena faha-7 nandritra ny fandalovan’ny filoham-pirenena sy ny mpanjaka Marokana. Tsy nisy nahazo nizotra avokoa rehefa fiara rehetra. Tsy mbola nisy fitohanana toy izany teto Antsirabe satria an-kilaometatra mihitsy ny fitohanana, niteraka fimenomenomana ho an’ireo mpampiasa lalana izany indrindra fa fiara iray nitondra razana izay mbola handevina lavitra nefa tafahitsoka ora iray sy sasany teo raha ny filazan’ireo mpandevina. Tsetsatsetsa tsy aritra kosa no hilazana fa dia voahilikilika indray ny mpanao gazety Malagasy fa ireo vahiny no nahazo laka na dia asa iray sy mitovy izao no atao.
Andry N.



