Namono olona indray ny varatra teto Antsirabe, raim-pianakaviana iray no maty ary zaza iray no may. Tao Andraikiba no niseho ny loza ny talata hariva tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany tany ho any . Vao nanomboka nikija ny orana dia narahina havandra indray izany tamina faritra maromaro teto, isan’izany io tao Andraikiba io. Tampoka teo anefa nirefotra ny varatra niditra tamina trano iray. May avokoa ny entana sy ny finday tao, nitety trano roa avy eo vao nijanona. Tao amin’ilay trano faharoa nidiran’ny varatra no nisy fianakavina iray teo am-piresahana. Nisy zaza maromaro teo ambony fandriana, ilay raim-pianakaviana kosa nipetraka teo an-joron-trano, ka ity farany no niantefan’ny varatra. Mbola niteny tamin’ireo zaza ity raim-pianakaviana ity mba samy hanampin-tsofina fa mafy loatra ny fikapokapoky ny havandra tao an-tafontrano, ireny jiafotsy ireny mantsy ny valin-drihan’ny tafony. Poa tahaka izay anefa, nipitika tery lavitra tery rangahy , ary namofona vanja ny trano fonenana. Vaky ny tafontrano ary nahitana dian’afo lehibe ilay valin-drihana. Taitra ny manodidina nivoaka nijery ny zava-nitranga. Akory ny hagagana nahita ireo zaza nitomany sy ilay rangahy efa mitsirara. Noezahina nentina notsaboina teny amin’ny hopitaly ihany ilay rangahy saingy tsy tana intsony ny ainy, fantatra fa tapaka mihitsy ny hatony ankoatra ny fahamaizana nahazo azy. Zaza iray tamin’ireo 4 teo am-pandriana koa no nisy fahamaizana teo amin’ny tenany fa ny sisa kosa tsy nisy naninona. Raha ny fantatra moa dia zaza mipetraka ao amin’ilay trano nidiran’ny varatra voalohany ity may ity.
Nitombo indray izany ny maty nilatsaham-potaka teto Antsirabe, raha tsiahivina moa dia efa maherin’ny folo izao ireo namoy ny ainy, nilatsaham-baratra.
Andry N.



