Fitsaram-bahoaka hafakely no nitranga tao Ivory Fianarantsoa, afak’omaly. Ramatoa iray sahabo ho 40 taona eo ho eo no tratra nangalatra gana, ka nampihinanan’ny fokonolona manta azy niaraka amin’ny volony ny vorona avy nangalariny. Rehefa nihinana ka nahalany tamin’ny ampahany tamin’ ny gana ilay ramatoa dia nitolefitra tamin’ny tany. Raha nahita izany ny olona dia nangoraka azy indray, ka novelombelomina izy, ary nalefa nandeha rehefa nahazo aina, ka tsy nisy sahy nanaraka azy intsony ny olona. Talohan’ io, raha ny tati-baovao voaray, dia nampiambozonina an’ity ramatoa nitety tanàna ny gana nangalariny mbola velona, ka nisy tamin’ireo andian’olona nahita ny zava-nisy no saika hamono azy. Tao koa ireo nilaza hoe : “ aboridano izy “, kanefa nisy ray aman-drenibe iray to teny teo an-tanàna nanakana izany fihetsika izany. Raha ny fantatra dia tena leo amin’ny firongatry halatra akoho amam-borona amin’io fokontany io ny mponina ka manafay avy hatrany izay olon-dratsy tratra. Vao tsy ela fa tamin’ity herinandro ity, dia nisy tranga nitovitovy tamin’izao ihany koa niseho tany Analamitsampy Toliara II. Tovolahy iray 25 taona tratra nangalatra osy no nampihinanin’ny olona ny biby nagalariny.
Eric Manitrisa



