- Publicité -
lundi, novembre 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : “Briquet” hadino akaiky fatana, nipoaka niteraka hain-trano goavana

Toamasina : “Briquet” hadino akaiky fatana, nipoaka niteraka hain-trano goavana

Ny alarobia teo tokony tamin’ny 4ora tolakandro, nitrangana hain-trano goavana tao amin’ny fivarotan-kazo “Stadium” Mangarano, trano 80 tafo teo no may kila nandritra izany ary an-jatony teo ny olona tsy manan-kialofana sy fianakaviana may kila forehitra fananana ary fihariana.

Raha ny fanazavan’ireo traboina tamin’izao hain-trano izao, dia “briquet” hadino ka  nipoaka teo amoron’ity fatampera no niteraka izao fahamaizana goavana izao. Tamin’io fotoana io rahateo dia nandrehitra afo hahandro hariva ity zanak’ilay niavian’ny afo voalohany. Avy hatrany dia nidedaka ny tranon’izy ireo izay vita amin’ny fitaovana mora mandray afo. Vokatry ny rivotra sy andro maina ary ireo trano manodidina vita amin’ny fitaovana mora mirehitra, dia niitatra haingana ny afo nefa noho ny ezaky ny mpiara-monina sy ny mpamonjy voina sy hain-tranon’ ny kaominina, dia voafehy ihany ny afo tokony ho tamin’ny 07ora hariva na efa misasak’alina aza vao tena maty tanteraka ny afo tamin’ireo trano nirehitra. Raha ny fanazavan’ireo traboina hatrany, dia nanampy trotraka ny fiitaran’ny fahamaizana ny fitselaran’ireo taribin’nyJirama tamin’ireo andrin-jiro tratran’ny afo. Tsy nanome mazava ny sandan’ny fananan’izy ireo may ireo traboina an-jatony, fa raha ny tombana tamin’ireo mpitsofa hazo roa may fananana fotsiny dia efa mananika ny an-jatony tapitrisa ny sandany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici