- Publicité -
lundi, novembre 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimirary : Lehilahy 32 taona , notsindronin’ny rahalahiny antsy, marary mafy

Ambohimirary : Lehilahy 32 taona , notsindronin’ny rahalahiny antsy, marary mafy

Tranga mampalahelo no niseho teny amin’iny faritra Ambohimirary iny , omaly tolak’andro , tokony ho tamin’ny 1 ora teo. Araka ny loharanom-baovao voaray, dia mpirahalahy mpirai –tampo no niady sy nifanindrona antsy teny amin’iny toerana iny. Ny vaovao hatrany no nahafantarana, fa efa tsy dia mifankahazo mihitsy izy mirahalahy ireo ka izao niafara tamin’ny tsidron’antsy izao.Nisy moa ny naratra mafy vokatr’izany ka tsy nanaiky mora , fa dia mbola nifampitory teny amin’ny polisy indray avy teo. Araka ny fitantaran’ny vadin’ ity lehilahy iray voatsidrona antsy ity , dia isaky ny mamo ity zokilahiny dia manao fomba fihetsika hafahafa foana , ary mahavita mamoaka vava ratsy mihitsy aza. Tsy fantatra mazava aloha hatreto izay tena anton’izao tsy fifankahazoana teo amin’izy miralahy ireto fa dia izao miady lava izao , isaky ny mifankahita , indrindra rehefa mamo ny andaniny , dia tsy maintsy raikitra ny adilahy. « Rahonany amin’ny antsy foana ny vadiko rehefa mamo izy , ary enjehiny tsy avelany mihitsy » hoy hatrany ny fitantaran’ity ramatoa ity , izay voalaza fa vadin’ny iray amin’izy mirahalahy. Tonga teny amin’ny polisy moa ity raharara ity , ka mbola tsy fantatra izay ho vokany na ahoana. Ny voatsindrona kosa mbola mitsabo vatana , izay mbola sarotra ny hiverenan’ny fahasalamany noho ny fahavoazany mafy.

FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici