- Publicité -
lundi, novembre 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkadindramamy : Trano nianjera, olona iray namoy ny ainy

Ankadindramamy : Trano nianjera, olona iray namoy ny ainy

Trano vao aorina mantsy no nianjera teny amin’iny faritra Ankadindramamy iny. Vokany : olona iray no namoy ny ainy rehefa nianjera’ny tohan-drivotra vita amin’ny « beton ». Ny alakamisy hariva lasa teo, tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany hariva tany ho any no niseho ity tranga tsy nampoizina ity. Vokatry ny tandrevaka nataon’ireo mpanorina trano ve ? Raha ny vinavinan’ireo mponina mantsy dia mety ho ratsy ny fangaron’ny rihatra natao tamin’ilay trano ka tsy nahatàna izany. Tamin’ny fotoana nandalovan’ity tovolahy ity teo ambanin’izany trano izany mihitsy no nihotsaka ilay tohan-drivotra avy any ambony rihana, izay nitarika ny fianjeran’ny rindrina. Nivantana avy hatrany tany amin’ilay zazalahy ilay rindrina nihotsaka ity. Ny lohany no voa tamin’izany, ary naratra mafy tokoa. Mbola nisy aina ny tovolahy tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Noezahin’ireo nahita nentina haingana tany amin’ny tobim-pahasalamana araka izany izy. Saingy indrisy fa tapitra teny an-dalana ny ainy, raha ny vaovao hatrany. Nomena ny  fianakaviany etsy Soamanandrariny ny razana taorian’ny fitiliana. Marihana, hoy ny vaovao, fa tsy nisy olona, ary mpiasa tao amin’ity trano vao naorina ity tamin’io fotoana io. Efa noraisin’ny zandary ao Soamandrariny moa ny fanaovana fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici