Telolahy saika hibizina sokatra miisa sivy no tra-tehaka omaly tetsy Ampasampito. Mpitandro filaminana ny iray tamin’izy ireo, olona ambony miasa amina sampan-draharaha iraisam-pirenena kosa ny faharoa, ary olon-tsotra ny farany. Araka ny fampitam-baovao azo dia saika mbola hisoloky izay olona hividy izany sokatra izany ihany koa ireto mpanondrana an-tsokosoko ireto. Izany karazana sokatra fantatra amin’ny anarana hoe Angonoka izany mantsy no voalaza fa saika hamidin’izy ireo. Mitentina eo amin’ny 2500 dolara eo ho eo ny vidin’ny iray amin’ity karazan-tsokatra ity, izany hoe manodidina ny valo tapitrisa ariary any ho any. Tamin’ny fahatratrarana ireto farany anefa dia sokatra tsotra karazany « radiata » ihany izy ireo. Sokatra izay inoana fa hamidy ary tsy maintsy haondrana. Tamin’ny alalan’ny angom-baovao moa no nahafahan’ireo mpanao fanadihadiana namandrika ireto fanetriben’ny firenena ireto, ka nahafahana nahazo izao vokatra izao. Fantatra fa voatazona sy hanaovana fanadihadiana eny amin’ny tobin’ny zandary ireto olona mpanondrana harem-pirenena ireto. Izao vokatra tsara izao moa no azo dia noho ny fiaraha-miasan’ny tetikasa Alarm (tetikasa miompana amin’ny fampiharana ny lalàna amin’ny fiarovana ireo harena voajanahary eto Madagasikara) eo anivon’ny Alliance Vohary Gasy, miaraka amin’ireo mpiray ombona antoka aminy : ny mpitandro filaminana, ny fitsaràna ary ny ministera.
m.L



