Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray teny amin’iny faritra Ambatofisaka Antalaha iny , omaly maraina, tokony ho tamin’ny 9 ora teo. Araka ny loharanom-baovao voaray dia lehilahy iray sahabo eo amin’ny 30 taona eo, izay voalaza fa nitondra moto no fantatra fa voafaokan’ny fiara 4×4 tamin’iny toerana iny. Vokany , maty tsy tra-drano ity lehilahy ity. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa vokatry ny fandehanana mafy teo amin’ny mpamily roa tonta no tena antony nahatonga ny loza. Nijininika ny rà teny an-toerana ary voalaza fa nivoaka mihitsy ny taolan-tongotr’ity lehilahy ity . Tsy nisy nahafantarana ny endriky ity niharan-doza intsony , fa dia potika tanteraka ny tarehiny . Fantatra fa nipitika lavitra be ity farany vao voafakan’ilay 4×4 ka izay no tena tsy nahavotra ny ainy intsony. Niala mihitsy moa ny hoditr’ity rangahy ity , vantany vao voadona izy. Voalaza ihany koa fa nitsoaka avy hatrany ny mpamily ity fiara 4×4 ity vao nitranga ny loza , teny an-toerana. Efa eny an-tanany fianakaviana kosa ny razana amin’izao fotoana izao , ary mbola eo andalam-pikarohana ity mpamily fiara ity kosa ny eo anivon’ny polisy .
FINARITRA RAKOTO(Stagiaire)



