Nandray fepetra avy hatrany ny manam-pahefana dia ny fandefasana mpitandro ny filaminana marobe entina mampandry tany. Izany dia taorian’ny fivoahan’ny vazaha iray sy ilay mpiasan’ny banky, eny fa na dia fahafahana vonjimaika aza izany. Izy ireo dia voarohirohy tao anatin’ny famoanoana an’i Magalie sy Romain. Miteraka resa-be ao an-toerana izany ary misy ny tsy mankasitraka. Mpitandro filaminana avy aty an-drenivohitra ireo nalefa hanamafy ny fandriam-pahalemana any an-toerana ireo.
D.R



