Raha nitodika tany amin’ny frankôfônia ny maso teto an-drenivohitra, rà mandriaka kosa no niseho ny alin’ny zoma lasa teo. Ady anaty akata tao Tsiroanomandidy. Nisy miaramila maty, olon-tsotra namoy ny ainy ary olona maro tsy hita popoka hatramin’izao. Niainga tamin’ny asan-dahalo izay niseho ny harivan’ny zoma, tao amin’ny fokontany Bemangoraka, eo anivon’ny kaominina ambanivohitra Tsiroanomandidy, ny raharaha. Dahalo 85 izay mitazona basy lava tsy latsaky ny 35 no tonga nanafika io tanàna io ary naka ny ombin’ny olona efa nanodidina ny 400. Tsy nisalasala ireo nanao herisetra ary namono olona efatra tao amin’ilay tanàna izay voalaza etsy ambony. Olona efatra no maty nandritra ilay fanafihana. Nampandrenesina ny mpitandro ny filaminana ary niara-nidina an-tsehatra tamin’ny fokonolona, nanao ny fanarahan-dia, ny zandary enina sy miaramila efatra. Nihazo an’Ankavandra ny dian’ny omby ary rehefa tonga tao Manambolo dia niverina ny zandary mba haka namana hafa hanampy. Efa hita soritra mantsy fa ho mafy ny fifandonana. Ny olon’ny tafika kosa dia tsy nihemotra ary nanaraka hatrany ny dian’ny omby. Raikitra ny ady tao anaty akata, roa andro taty aoriana. Nifanehitra ny roa tonta tao amin’ny tanàna antsoina hoe Anosikely-Soaloka. Tao anatin’izany no naha-lavo ny miaramila iray, mitondra ny galona Sergent-chef, miasa eo anivon’ny toby RTS. Lavo ihany koa ny lehilahy iray avy amin’ny fokonolona. Nohamafisina ny fanarahan-dia ary hatramin’ny omaly, dia mbola nitohy ny fifanenjehana anaty akata. Ny vatana mangatsiakan’ireo olona lavo kosa dia nalain’ny zandary ary nentina niverina tany an-tanàna. Gidragidra tanteraka no iainan’ny olona any ambanivolo manoloana ny asan-dahalo, izany anefa toa tsy dia nisy nanome lanja satria any ambanivohitra tsy hita maso any moa.
D.R


