Omaly maraina , tokony ho tamin’ny 10 ora teo, mpivarotra iray amoron-dalana iray no fantatra fa voadaroka ary torana teny Analakely. Nisy koronatana indray teo amin’ireo fivondronana sy ireo mpivarotra amoron-dàlana. Ny vaovao hatrany no nahalalana fa noraofina avokoa ny entana namidin’ilay lehilahy. Fantatra moa fa ireny paoketra ireny no namidin’ity tovolahy ity. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana, fa efa nahatratra ora maro tany ho any vao niverina ny ain’ity lehilahy voadaroka ity. Nifarimbona namelona ity tovolahy ity ireo izay nanatri-maso teny an-toerana. Mitaraina tanteraka ireo mpivarotra amoron-dàlana ankehitiriny. Nilaza izy ireo , fa « aiza no hitady vola, hamelomany ireo vady aman-janany, indrindra fa amin’izao an-katoky ny fety izao ? »
FINARITRA RAKOTO (Stagiare)


