Habibiana no nihatra tamin’ity ramatoabe iray mananika ny 70 taona, teratany sinoa, monina etsy Alarobia, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata lasa teo. Notafihana andian’olona tsy fantatra ny toeram-pivarotany ary maty novonoin’ireo tsy valahara tamin’izany izy. Tsy nisy naheno anefa ary tsy nisy nahafantatra ny fotoana tena nitrangan’izany ireo mponina nifanila trano taminy, raha tsy omaly maraina. Mitana toerana fivarotana zava-pisotro iray eny an-toerana « Rabeby », fa izay no fiantson’ireo mponina azy. Mipetra-drery, eny fa na dia misy mpanampy ihany aza amin’ny varotra izay ataony. Saingy mandeha mody ireo rehefa hariva ny andro, hoy ny angom-baovaonay teny an-toerana. Tsy dia zatra manokatra ny fivarotana vao maraina ity ramatoabe ity. Tamin’io fotoana io anefa, somary nahagaga ny mpiray vodirindrina ihany fisokasokan’ny varavarany. Tetsy an-danin’izay ihany, nihidy tanteraka ny varavarankeliny, kanefa matetika dia io no voasokatra voalohany raha vao maraina ny andro, hoy hatrany ireo mponina. Nahamailo ireo mpifandray taminy izany zavatra izany, ka niantso ny anadahiny izay manana trano fandrasaim-bahiny tsy lavitra eo ireto farany. Tamin’zay no nahitana ny vatana mangatsiakan’ity sinoa vavy ity, efa nivalampatra teo amin’y tany. Mifatotra tongotra aman-tanana sy mitampim-bava. Tsy diana ratra teny amin’ny vatany, raha ny filazan’ireo teny an-toerana hatrany, saingy kosa nivoa-drà ny sofiny. Raha ny fantatra dia tsy nisy nohetsehana ireo entana sarobidy tao aminy, ankoatry ny vata fahitalavitra iray. Lasan’ireo oon-dratsy ksoa ny vola rehetra tao aminy, izay mbola tsy fantatra isa. Nampanantsoina avy hatrany moa ny pôlisy ary efa nanao ny fizahana ifotony sy nanokatra fanadihadiana sahady mahakasika ity tranga niseho ity. Nentina tany amin’ny tranom-paty kosa ny razana nanaovana fitiliana. « Mety olon-dratsy efa nandinika sy nahafantatra tsara ny fiaim-piainany no nahavanona izao habibiana izao », hoy hatrany ireo olona teny an-toerana. Mamy hoditra tamin’ireo mpiray monina tokoa ity vaviantitra ity, ary tsy mba nanana lonilony na tamin’iza na tamin’iza izany. « Rabeby sinoa », hoy ireo efa nifankazatra taminy efa ela. Terantany sinoa izay efa lasa zanatany mihitsy noho ny amam-polo taonany maro efa nipetrahany teny an-toerana.
m.L


