Nanomboka ny alahady no mankaty dia nanao hetsika manokana tamina fokontany vitsivitsy noho ny fitarainan’ny vahoaka amin’ireny fokontany ireny ny polisy tao Toamasina. Nahitam-bokatra ny hetsika natao noho fiaraha-miasa matotra teo amin’izy ireo sy ireo andrimasom-pokonolona.
Niisa 15 be izao ireo andian-jiolahy voasambotra tamin’izany, izay mpanendaka sy mpamaky trano ary mpamaky magazay avokoa izy ireo, izay tratra ambodiomby ny ankamaroany. Manodidina ny 18 taona hatramin’ny 42 taona izy ireto, saingy ny ankamaroany dia manodidina ny 18 taona hatramin’ny 22 taona eo avokoa. Maro ihany koa ny entana tratra teny amin’izy ireo nandritra ny fisamborana azy ireo, izay tao Mangarivotra, Tsararivotra, Ambolomadinika, Ambalakisoa no nahatrarana azy ireo. Teo ireo takelaka goavam-be fanao amin’ny masoandro hahazoana herinaratra niisa 06 izay nahatrarana tovolahy 03; teo ny fanendahana olona mody tratra alina nahasamborana tovolahy 03 ihany koa; rangahy iray 42 taona tratra niaraka tamin’ny moto “BW’s” avy nangalariny tsy afa-nandositra, tamin’ny fotoana nahatrarana ilay moto anefa dia mbola nisy vola tao amin’ny fitehirizan’entany fa tsy hitan’ity jiolahy ity; 08 lahy be izao tratra tao Ambolomainika izay efa gadra lava ny 02 tratra ambodiomby teo am-pamakiana trano, ka nangalatra motera be na vedety sy motera hafa ihany koa ary mbola nahitana fahitalavitra iray.
Miditra amin’ny hetsika manokana amin’ny fametrahana filaminam-bahoaka manokana noho ny fanomanan’ny olona ny fetin’ny krismasy sy faran’ny taona ary ny fitsenana ny taona vaovao ny ekipan’ny polisy Toamasina izao. Filaminam-bahoaka anefa tsy ho tonga raha tsy miara-miasa ny ny mpitandro ny filaminana sy ny vahoaka. Ny tanjona dia fety milamina no hisy eto Toamasina.
Malala Didier