Miaina ao anaty tebiteby kosa saika isan’andro ny ankamaroan’ireo vahoaka monina manamorona renirano any amin’ny faritra Atsimo Andrefana noho ny fiakaran’ny renirano ka mampasiaka ny voay amin’izao fotoam-pahavaratra izao, ary misy amin’ireo biby mihitsy no miakatra an-tanàna mitady sakafo harapaka. Afak’omaly, dia tovovavy kely iray no hita faty narapaky ny voay teo amoron’ny reniranonin’i Tsiribihina. Ambiny tamin’ny razana tsy lanin’ny voay no nalain’ny havany ary nalevina avy hatrany. Handeha hianatra vao maraina ity ankizivavy ity no nisasa teo amin’io renirano io, ny alatsinainy teo. Taitra ireo namany niaraka taminy raha vao nahita an’ity zaza ity narapak’ilay voay ka niantso haingana ny fokonolona teny an-tanàna. Natao ny fikarohana tamin’io andro io, kanefa tsy nahitam-bokany izany, na dia teo aza ny fombafomban-tany tsy maintsy natao, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa
Belo Tsiribihina : Tovovavy kely iray handeha hianatra lanin’ny voay
Articles qui pourraient vous intéresser