- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanidia : Ramatoa, maty tampoka teny an-dalana

Ambanidia : Ramatoa, maty tampoka teny an-dalana

 Efa maro tato ho ato, ireo olona no maty tampoka any an-dalana, izay tsy fantatra na matin’ny inona ? Omaly , antoandro be nanahary no nitsirara teny amin’ny faritra Ambanidia ity , renim-pianankaviana ity , izay voalaza fa sahabo eo amin’ny 40 taona eo. Araka ny loharanom-baovao voaray dia voalaza fa tsy fantatra izay tena antony nahafaty azy ity fa, dia ny fokonolona efa nitangorona no hita teny an-toerana. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa manana zanaka roa kely ity ramatoa ity , ary manam-bady ihany koa , saingy noho ny hasarotrin’ny fiainanan dia tsy maintsy mandeha mitady vola kosa ity ramatoa ity. Araka ny voalaza an’ireo nanatri-maso dia mety ho harerahana diso tafahoatra no nahazo ity ramatoa ity. Teo ihany koa ny nanambara fa matin’ny hanohanana izy. « Talohan‘ny nahafatesany dia , mbola nilaza ny haka aina kely izy  fa hoe reraka, rehefa nandeha anefa ny lera dia efa tsy nihiratra intsony ny masony», hoy hatrany ny fitantaran’ireo  nanatri-maso teny an-toerana. Mbola novelomin’ireo olona teny an-toerana moa ity ramatoa ity , saingy efa tsy avotra intsony ny ainy. Fantatra fa tonga teny an-toerana ireo polisy , nanao ny asany mikasika ity raharah ity, ary nisy ny nanambara fa hatramin’ireo polisy aza mbola nifandrimbona namelona azy. Efa tonga teny an-toerana kosa ny teo anivon’ny BMH , nanao ny fikarakarana ny razana.

FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici