- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFaratsiho : Lalao baolina kitra, niafara tamina vono olona

Faratsiho : Lalao baolina kitra, niafara tamina vono olona

Olona 13 no niakatra fampanoavana tao amin’ny fitsarana, ny Alatsinainy 28 Novambra lasa teo, fantatra fa ny roa tamin’izy ireo no naiditra am-ponja miandry ny fitsarana azy. Izany dia vokatry ny ady niseho tamina lalao baolina kitra tao amin’ny fokontany Belanitra kaominina Miandrarivo distrikan’i  Faratsiho ka nahafatesana mpilalao iray.

Lalaom-piralahina no nataona fokontany roa samy hafa, ny 28 Novambra lasa teo tao Miandrarivo, vao nanomboka fotoana fohy anefa ny lalao dia raikitra ny sakoroka. Voalaza fa nanao hadisoana ny mpilalao tamin’ny andaniny , tsy nahatana fo anefa ity mpifanandrina taminy ka niatomboka teo ny fifamaliana. Tsy ela akory dia raikitra ny rombo, tsy tonga tamin’ny fialan-tsasatra akory ny lalao dia ny sakoroka no nahazo laka. Nandritra izany no naharatrana mafy mpilalao iray, nezahina notsaboina ity farany, saingy telo andro monja taorin’ny naharatrany dia fantatra fa tsy tana intsony ny ainy. Nametraka fitoriana ny ray aman-dreniny ka io nalaina am-bavany io ny 13 tamin’ireo mpilalao ka ny roa ireo naiditra am-ponja ireo ny sisa kosa nahazo fahafahana vonjimaika. Manodidina ny 21 taona ilay namoy ny ainy.

Andry

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici