- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Tsy handefitra amin’ireo zandary sy mpitatitra manao kolikoly an-dàlambe

Toliara : Tsy handefitra amin’ireo zandary sy mpitatitra manao kolikoly an-dàlambe

Manoloana ny kolikoly an-dàlambe ataon’ny mpitandro filaminana mbola mahazo laka amin’izao, dia hentitra amin’ny fanaraha-maso ireo zandary mbola minia manao kolikoly, ny kaomandin’ny kaompanian’ny Zandarimaria eto Toliara, ny kapiteny Ranala Herisoa, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly. Miverina indray, hoy ity manam-boninahitra ity, ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpitatitra eto Toliara, satria mifangaro voroka tsy manaraka ny tokony ho izy intsony ny entana sy ny mpandeha hoentin’ireo fiara fitaterana, ka mandeha araka izany ny tsolotra sy ny endrika kolikoly rehetra eo amin’ny mpamily sy ny zandary mpanao fisavana eny an-dàlana.

Hoentitra ny fisavana.Nandray fepetra manonkana izahay amin’ny fampihenana ny “point de controle routier” ka ny “Brigade de police de la route” irery ihany no afaka manao ny fisavana, ary hamafisina ihany koa ny fampianarana an’ireo zandary vao nivoaka amin’ny ady ami’ny kolikoly “, hoy ny kapiteny Ranala Herisoa. Ny herinandro teo, dia nampiantso an’ ireo kaoperativa rehetra mpitatitra eto Toliara ny zandarimariam-pirenena, fihaonana izay nametrahana ireo toromarika rehetra amin’ny tokony hanajana ny lalàna mifehy ny fitaterana hampihenana ny kolikoly hatramin’ny 50%.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici