“ Mbola voailikilika ireo olona manana fahasembanana eto Toliara, satria mihen-danja ny fahalalan’ny olona ny lalana natokana ho an’ny manana fahasembanana “, hoy ny avy ao amin’ny fikambanana Afidity, afak’omaly, teto Toliara, nandritra ny atrikasa momba tontolon’ny olona manana fahasembanana. Na dia efa misy aza didim-pitondrana milaza ny fanamorana ny fidiran’ireo olona manana fahasembanana amin’ireny biraom-panjakana ireny, hoy ity fikambanana ity, dia tsy mbola misy hatramin’izao ny fampiharana izany eto Toliara renivohitra, satria ny 95%-n’ ireo tranom-panjakana dia tsy ahitana an’ireny lalana manonkana natokana ho an’ireo olona manana fahasembanana ireny avokoa, ka miteraka olana sy sakana eo amin’ireo sembana ara-batana tokony hikarakara antontan-taratasy na zavatra maro samihafa amin’ireo sampan-draharaham-panjakana maro samihafa izany.
41% no tsy afa-miditra an-tsekoly intsony. Lasa sakana amin’ireo sembana izay tokony hanohy ny fianarany ihany koa ny tsy fisian’ireny lalana nantokana ho azy ireo ireny, ka 41% amin’n’izy ireo no tsy afa-miditra an-tsekoly intsony noho io olana io. Sahirana ihany koa ireo sembana ara-batana noho ny fitaovana tsy mifanaraka amin’ny toe-batany, satria sekoly roa monja eto Toliara, dia ny Epp Tsianaloka sy ny ao amin’ny lisea teknika, no ahitana an’ireo lalana natokana ho an’ireo olona manana fahasembanana ireo. Famatsiam-bola avy amin’ny vondrona Eoropeanina sy fiaraha-miasa tamin’ny tetikasa Dinika no nahafahana nanao izany. « Izahay manana fahasembanana dia manam-pahaizana sy fahalalana afaka mampandroso firenena fa tsy hangataka lava fa mahamenatra », hoy ny filohan’ny fikambanana sembana ara-batana eto Toliara nanaitra ny sain’ny rehetra.
Eric Manitrisa