Iray maty tsy tra-drano rehefa voatifitra teo amin’ny lohany, ny iray hafa naratra mafy ary ny roa ambiny azo sambo-belona. Izay no vokatry ny fidinana an-tsehatra nataon’ny pôlisy omaly, tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany. “Efa narahan-dia hatramin’ny alatsinainy ireo jiolahy, saingy niandry porofo izahay vao afaka nanao ny fisamborana. Androany dia hitan’ny masonay izy ireo nitondra basy ary handeha hanakafika teo amin’ny manodidina an’Antanimena” raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny brigade criminelle. Nisy basy iray sarona teny amin’ireo voarohirohy ho jiolahy manao fanafihana mitam-piadiana. Omaly hatramin’ny alina, dia mbola nitohy ny fikarohana ny naman’ireo olona voasambotra ary izy ireo ihany koa, raha araka ny fanamarihan’ny pôlisy hatrany, dia mbola mitazona fitaovam-piadiana izay ahiana fa tsy P.A fotsiny. “Fitaovana goavana” raha araka ny vaovaon’ny pôlisy hatrany. Nahita ny zava-nitranga avokoa ny mpampiasa iny làlan’Antanimena mizotra mankany Behoririka iny. Isan’ny tena nahita mivantana, ny tao anatin’ny taxi-be iray izay nifanandrify indrindra tamin’ny poa-basy ny fandalovany teo an-toerana. “Tsy dia nitohitohy ny poa-basy henoko fa teo amin’ny in-droa teo fotsiny. Saingy toa efa akaiky mihitsy ireo pôlisy angamba satria tao anatin’izay dia olona roa no hitako nitsirara tamin’ny tany” raha ny fanazavan’ny mpandeha iray. Nisy nahazo sary ny fizotran’ny raharaha ary vetivety dia niparitaka tamin’ny tranonkala izany omaly. Nihoron-koditra ny rehetra, satria tamin’ny andro antoandro be nanahary no nisian’ny fanafihan-jiolahy sy ny rà mandriaka. Teo an-toerana indray, dia tao anatin’ny fotoana fohy dia nihidy avokoa ny mpivarotra, indrindra ireo karàna izay mpivarotra kojakojam-piarakodia. Na ireo mpivarotra an-tsisin-dàlana aza dia niala teo an-toerana raha vao naheno ny feom-basy. Nobataina tao anaty fiaran’ny pôlisy avy hatrany ireo maty sy naratra ary azo sambo-belona, mba hialàna amin’ny mety ho fitangoronan’ny olona.
D.R