Tsy niandry ela ny valin-kafatry ny Tafika, manoloana ny nahafatesan’ny olony iray rehefa nifanehitra tamin’ny dahalo. Raha tsiahivina dia ny alakamisy, tamin’ny herinandro lasa teo no maty tao anaty ady anaty akata ny miaramila iray izay niara-dia tamin’ny fokonolona. Izany dia taorian’ny fanafihan-dahalo nitranga, niainga tao Tsiroanomandidy ka niafara hatrany amin’ny manodidina an’i Miandrivazo. Nisy ihany koa ny fokonolona izay lavo tamin’io fotoana io. Ankehitriny dia miaramila an-jatony no nalefa any Tsiroanomandidy ary hanao haza lambo ny dahalo no tena anton-dian’izy ireo. Ny dahalo amin’ny ankapobeny no voalazan’ny manampahefana fa hofongorina, saingy raha zohina kosa ny zava-niseho tato ho ato, dia mazava fa hanao valifaty ny namany maty ny miaramila. Hampiasaina hatramin’ny fitaovana lehibe eo am-pelan-tànana, hatramin’ny helikoptera, amin’ity fidinana an-tsehatra ity. Raha hiverenana, dia omby 400 no lasan’ny dahalo nandritra ny fanafihana ary olona efatra tamin’ny fokonolona no lavo. Mbola nitombo ny isan’ny maty rehefa raikitra ny ady anaty akata, roa andro taty aoriana. Nisy ihany koa ny basy lasan’ny dahalo; izay tsiahivina fa an-jatony hatrany isaky ny midina manao fanafihana. Manintona ny sain’ny maro ny hoe: ho raikitra tanteraka izany ny hazalambo ato ho ato any amin’ny faritr’i Bongolava, toerana izay nandihizan’ny dahalo tato ho ato noho ny fananany omby betsaka. Raha noheverina fa kolon-tsaina ny asan-dahalo teo aloha ary neken’ny mpiara-monina, izao kosa dia lasa olana tanteraka izany, satria mivadika ho vono olona sy herisetra maro isan-karazany no naterany. Ny tsikaritra dia hatramin’ny nisian’ny fanondranana omby an-tsokosoko no lasa nampivadika tanteraka ireo mpandroba any an-toerana ho lasa sady mpamono olona.
D.R