- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Ankizivavy avy nianatra novelesin’ny adala ny kibay

Toliara : Ankizivavy avy nianatra novelesin’ny adala ny kibay

Zazavavy iray mpianatra 10 taona eo ho eo no safotra tsy nahatsiaro tena, omaly antoandro, tany Toliara, novelesin’ny adala tamin’ny kibay. Avy nianatra ity ankizivavy ity sy ny anadahiny izay nandeha an-tongotra hamonjy fodiana, nihinana mofo teny an-dalana, no sendra lehilahy adala iray. Nangataka mofo taminy ity farany ka nanihanian’ilay tovolahy anadahiny. Lasa nihazakazaka nitsoaka izy, nony avy teo, ka ilay zazavavy tsy manan-tsiny tavela teo no avy hatrany dia novelesin’ ilay adala tezitra ny hazo nentiny, ka naratra nivoa-drà teo amin’ny lohany, ary safotra niakarapoka tamin’ny tany. Raha vao nahita ny zava-nisy ny olona dia niezaka haingana namonjy an’ity mpianatra niharam-boina. Ilay lehilahy adala kosa tamin’io izay mbola nentin-kahatezerana nimenomenona eran’ny arabe no lasa nanohy ny diany nihazo ny lalana mankany Bazaribe iny. Maso mahita ao Toliara ao, dia mitombo isa hatrany ireo adala mirenireny, ary tsy vitsy amin’izy ireny no mamono sy mandratra olona, ka tokony handraisan’ny tompon’ andraikitra fepetra amin’izay, fa ny tsy manan-tsiny hatrany no mibaby ny rihitra rehefa mihetsika ny adalan’ireo marary saina.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici