- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversToliara II : Mpitondra sarety nodomin’ny fiara, vaky loha

Toliara II : Mpitondra sarety nodomin’ny fiara, vaky loha

Nitrangana lozam-pifamovoizana naharatrana olona indray tamin’ny lalam-pirenena fahasivy iny, omaly antoandro, tokony ho tamin’ny 1 ora, niala kely ny tanànan’ Ifaty. Sarety iray nitondra saribao hihazo ny tanànan’i Toliara no nodomina fiara 4×4 iray nitondra mpizahatany, ka naratra mafy vaky loha sy tapa-tanana havia ny lehilahy iray mpitarika sarety. Mafy ny fandonana ka nivadika ilay fitaovam-pitaterana entana izay simba tanteraka, ary  saika maty sempotra voatsindrin’ny saribao nentiny tao ilay mpitarika azy, izay tsy afa-nihetsika intsony, raha tsy voavonjy haingana. Simba ihany koa ilay fiara nadona satria dia potika ny “pare-choc”, kanefa tsy nijanona ity 4×4 nandeha mafy ity na dia nitranga aza ny loza fa nanohy ny diany hatrany , hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici