- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversBefotaka : Mahery ny 30 ireo olona matin’ny aretina hafahafa ao Ambalarano

Befotaka : Mahery ny 30 ireo olona matin’ny aretina hafahafa ao Ambalarano

Raha ny vaovao voaray farany azo omaly tolakandro, tamin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, dia mahery ny 30 (tarehi-marika vonjimaika tsy ofisialy io noho ny fahalaviran’ny toerana) ireo olona matin’ny aretina hafahafa (pesta ?) any amin’ny tanàna ambanivolo Ambalarano any amin’ny Distrikan’i Befotaka, faritra Atsimo Atsinanana. Raha ny fantatra dia nanomboka ny alakamisy teo no nandravarava ka namono olona ity trangan’ aretina hafahafa ity. Tamin’io andro io, 12 no maty, ka mitebiteby ny mponina. Afak’omaly asabotsy, dia nidina any an-toerana ny ekipa medikaly ao amin’ny minisiteran’ny fahasalam-bahoaka hijery ny zava-misy marina sy hitsabo an’ireo mbola marary, ary haharitra folo andro any izy ireo. Raha ny vaovao voaray hatrany dia misy atody tarimo ny olona marary.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici