- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversFamonoana ny ben’ ny tanànan’ i Betsinjaka Toliara II : Olona 30...

Famonoana ny ben’ ny tanànan’ i Betsinjaka Toliara II : Olona 30 voasambotry ny mpitandro filaminana

Tafakatra hatramin’ny 30 omaly ireo olona voasambotra voarohirohy tamin’ny famonoana ny Ben’ny tanànan’ ny kaominina ambanivohitry Betsinjaka Toliara II, fantatry ny maro amin’ny hoe : “ Maire Rakoto ”. Raha tsiahivina dia ny alin’ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny 10 ora no nofiraina andiana mpitari-posy famaky teo amin’ny lohany sy fihirifany ary teo amin’ny masony havia ity olom-boafidy mamim-bahoaka ity, ka naratra mafy. Noho ny fahaverezan-drà be loatra, dia tsy vita tao Toliara intsony ny fitsaboana azy, ka tsy maintsy nalefa haingana aty Antananarivo ity ben’ny tanàna ity ho fanavotana ny ainy, ny tolakandron’ny alakamisy teo.

Valifaty. Raha ny fanazavana azo, dia nitondra fianakaviana narary tao amin’ny hopitaly Salfa Toliara ity olom-boafidy ity, ka iny izy nivoaka handeha hody hamonjy ny fiarany nijanona teo amoron-dalana iny no avy hatrany dia novonoin’ireo andiana mpitarika posy noho ny lonilony efa nikotrika hatry ny ela nitarika valifaty. Nihijitra ny rà. Niezaka nitsoaka nanavotr’aina ny niharam-boina, kanefa tsy lasa lavitra dia torana tsy nahatsiaro tena niakarapoka tamin’ny tany, nanoloana banky lehibe iray ao Bazaribe. “ Manameloka ny vono olona feno habibiana niniana natao izao ny vahoakan’i Toliara ”, araka ny fanambarana nataon’ny fikambanan-drazana Toko Bey Telo, omaly.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici