Omaly antoandro , tokony ho tamin’ny 11 ora teo no nisehoan’ity tranga ity, teny amin’iny faritra Behoririka iny, ampitan’ny tsena Pochard. Araka ny loharanom-baovoa voaray, dia voalaza fa , rangahy iray sahabo ho 35 taona eo , izay fantatra fa mpitarika ireny sarety ireny , no nodarohan’ny polisy monisipaly , teny an-toerana. Vokatr’izany dia , naratra mafy ity farany , noho ny vono diso mafy loatra izay nahazo azy, voalaza fa teo amin’ny tongotr’ity rangahy ity no fantatra tena voa mafy tamin’izany. Araka ny loharanom-baovao voangaona tamin’ireo izay nanatri-maso teny an-toerana ,dia nanambara izy ireo fa tsy nisy hadisoan’ity rangahy mpitarika sarety ity , velively, no niatombohan’ny korontana teny, fa ireo polisy monisipaly kosa no faly manampatra ny fahefany . Nilaza izy ireo, fa tsy azo ipetrahan’ny sarety eny an-toerana fa manenligelina sy mibahan-toerana, maro anefa ireo olona teny no tsy nanaiky izany fandaminanana izany fa , nilaza izy ireo fa efa eo no fitadiavam-bola mahazatra azy ireo. Teo dia tezitra ireo polisy monisipaly, ka dia namono avy hatrany an’ity rangahy iray ity , izay tandrifin’ny mason’izy ireo. Araka ny vaovao hatrany , dia voalaza , fa sady novonoina ity rangahy ity no norohitina niakatra hoao anaty fiara nentin’izy ireo. Maro kosa ireo nahita teny an-toerana no tsy nanaiky fa dia nihorakoraka ,ny mba hamoahana an’ity rangahy mpitarika sarety ity.” Avoahy izy e! “ hoy hatrany ny horakorak’ireto olona izay nahita. Nony farany moa dia navoakan’izy ireo ihany ity rangahy ity , saingy efa naratra mafy.
FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)