- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanja : Fanafihan-jiolahy mirongo basy

Ambanja : Fanafihan-jiolahy mirongo basy

Ny alatsinainy tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany alina dia nitrangana asan-jIolahy tany Begavo, kaominina andrenivohitra Ambanja, faritra Diana. Jiolahy 4 tsy fantatra anarana nirongo fitaovam-piadiana PA vita gasy roa no niditra an-keriny tao an-tokantranona Sinoa anakiray sy ny namany. Very tamin’izany ny FC Cal 12 iray, PA 7,65 iray, PA Alarme iray, sososaina fitondra iray, Finday iphone6 roa, iphone5 iray, Finday tsotra telo, vola mitentina 23.600.000 Ariary miampy 1000 Euro, passeport sy carte de residence. Noraisin’ny polisy an-tanana avy hatrany ny raharaha tao aorinan’ny fisehoan’ity tranga ity. Nanatanteraka fihaonana ihany koa ny OMC na ny Organe mixte de la cooperation entina hisorohana ny mety hisian’ny tranga fanafihana hafa indray.

Kanto R. (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici