Nanjavona ny kaontenera iray izay feno fanafody ary tsy hita niaraka tamin’izany ny saofera nitondra ny kamiao. Nitaraina ny tompon’ny entana, an’ny orinasa izay miompana amin’ny fanafarana fanafody avy any ivelany. Niainga tamin’izany ny fanokafan’ny zandarimaria fanadihadiana. Isan’ny noahiahiana voalohany ny teny amin’ny kartien’Ambohipo izay fantatra hatrizay fa toerana fivarotana an-tsokosoko fanafody eto an-drenivohitra. Omaly ary, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny zandary, dia nisy ny fisavana izay natao teo an-toerana. Izany dia taorian’ny namoahan’ny fanadihadiana fa ahiana ho eny ireo fanafody. Nandritra ny “perquisition”, raha araka ny fantatra, dia nisy ny fanafody marobe izay hita ary tsy misy taratasy mifandraika amin’izany. Izany fitazomana fanafody tsy ara-dalàna izany no nahatonga ireo mpanao fanadihadiana nitazona avy hatrany ny tompon’ny entana. Noraofin’ny mpitandro ny filaminana natao “saisi” ireo fanafody ary ny tompony koa dia nentina natao fanadihadiana teny amin’ny biraon’ny zandary. Mbola notazomin’ny zandary ho tsiambaratelo kosa ny hoe nisy tamin’ireo fanafody ve isan’ny tao amin’ilay kaontenera very. Tsy maintsy mbola hohamarinina tsirairay rahateo izany ary mila fotoana, izay vao tonga amin’izany ny mpitandro ny filaminana miandraikitra ny fanadihadiana ity raharaha ity. Ahoana ny fomba nanodinana ny kamiao iray izay nitondra kaontenera? Niray tsikombakomba ve ny mpamily sa kosa nafenin’ireo olon-dratsy rehefa notafihiny ny kamiao? Marobe ny fanontaniana izay hoezahin’ny mpanao fanadihadiana hovaliana momba ity raharaha ity. Na izany aza dia efa manomboka manazava ny fiavian’ireo fanafody amidy an-tsokosoko amin’ny vidiny mora ny toe-javatra toa izao. Rehefa fanafody tsy hita eny Ambohipo dia tsy hita intsony eto amin’ny nosy. Saingy tsy fantatra mazava raha tena fanafody manaraka ny fenitra ilaina ireny amidy ireny. Hatrizay dia navela fotsiny amin’izao io karazana varo-maizina io, izay mazava ho azy fa loza mitatao amin’ny fahasalamam-bahoaka fa raha sanatria ka fanafody tsy izy na koa dika mitovy fotsiny. Poizina tanteraka…
D.R