- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversBehoririka : Taolam-paty roa gony napetrak’olon-tsy fantatra, hita tao anaty ranomaimbo

Behoririka : Taolam-paty roa gony napetrak’olon-tsy fantatra, hita tao anaty ranomaimbo

Omaly tany amin’ny 5 ora tany ho any, naharay vaovao ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Tsaralalana fa misy gony roa feno taolam-paty hita teny Behoririka akaikin’ny rano maimbo. Rehefa nojerena ireo gony roa, variana ny rehetra. Gony lehibe nisy mangahazo no hita voalohany. Rehefa novahana, nisy gony somary madinika tao anatiny. Nojerena, taolam-paty be dia be no tao. Nentina nanafenana ireo taolam-balo izany ireo mangahazo tamin’ny nitondrana ny entana. Hatramin’izao aloha, tsy fantatra marina ny antony nanipazana ireo gony ireo teny Behoririka. Maro ny resaka re teny an-toerana sahala ny hoe, tsy tonga ny mpanafatra ireo toalona ka nentin-tahotra ireo nitondra. Hany hery nanary ireo entana teny amoron’ny rano maloto. Efa nanokatra fanadihadiana ny mpitandro filaminana ahafantarana ny zavatra teny misy marina. Ny vaovao voaray no nahalalana fa olona teny amin’ny manodidina no nahita ireo gony ireo.  Nirongatra indray ary niverina nahazo laka tato ho ato ny trafikana taolam-paty raha nangigina kely teo. Vao tamin’ny fiandohan’ny herinandro, roalahy no tratra tany Marovoay amin’ity halatra sy fivarotana taolana ity.

Omaly ihany dia efa nalana teny Behoririka ireo taolana ireo ary naterina eny amin’ny tranom-paty. Karohanakosa izay na ireo nametraka ireo gony roa teny an-toerana.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici