- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversDigue : Rastà feno ratra hita faty

Digue : Rastà feno ratra hita faty

Ny mpandeha an-tongotra vao maraina no nahita ireo olona roa nitsirara tamin’ny tany. Feno ratra. Tokony ho tamin’ny efatra ora maraina tany, omaly, no nahatsikaritra izany ireo olona handeha hamonjy an’andrenivohitra mba hivarotra vao maraina. Lehilahy roa tsy nihetsika intsony ary nihosin-drà. Rehefa natonina dia hita fa rastà ny iray. Efa tena tsy nisy aina intsony io noho ny fahavoazana nahazo azy. Ilay faharoa kosa mbola nisy aina kely. Nifanome tànana ny olona ny nitondra azy teny amin’ny toeram-pitsaboana. Raha ny vaovao azo farany dia avotra soa aman-tsara ihany ny ain’io lehilahy io. Ny tomban’ny olona izay nahita teny an-toerana dia ny hoe novonoina tany an-toeran-kafa tany ireo lehilahy roa ary nariana teo an-toerana. Natsipy tao anatin’ny ranon’Ikopa no tena tanjona saingy tsy tontosa izany noho ny antony izay ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana no mety hahavaly azy. Azo tombanana ihany koa ny mety nisian’ny ady ka nitarika ny fahavoazan’ilay lehilahy rastà. Ny vatany izay feno ratra sy mangana no mety nitarika izany ahiahy izany, raha ny tomban’ny olona nahita hatrany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici