Nanapa-kevitra ny mpivarotra fa tsy hanao ny asany andavanandro. Izany anefa no isan’ny fidiram-bolan’ny maro ao Ilakaka. Ny antony dia mangataka izy ireo ny hamotsorana ireo olona fito nosamborina, samy mpikamban’ny Komity Miaro ny Vahoakan’Ilakaka (KMVA). Izy ireo, raha hiverenana kely, dia nosamborin’ny mpitandro ny filaminana nandritra ny fikarohana ny mpanao gazety Fernand Cello tao amin’ny radio Jupiter. Ny KMVA mantsy dia nifandrimbona tamin’ilay mpanao gazety ary hanohitra ny zava-misy izay hitan’izy ireo fa tsy ara-dalàna ao an-toerana, indrindra fa ny mahakasika ny fitrandrahana an-tsokosoko sy ny fanaparam-pahefana. Ny alakamisy teo, fotoana izay saika nivondronan’ny roa tonta no nilatsahan’ny mpitandro ny filaminana izay nanao ny fisamborana sy ny fangalàna ny fitaovan’ilay radio. I Fernand Cello kosa indray dia tafaporitsaka ary miery any anaty ala hatramin’izao. Ny findainy no tena karohina satria ao anatin’io daholo ny porofo rehetra, na sary na feo na sarimihetsika, ny amin’izay nolazainy fa tsy ara-dalàna mahakasika ilay fitrandrahana. Ny teo anivon’ny fampanoavana dia nilaza fa manelingelina ny filaminana anatiny ny fivoarian’olona izay saika nitranga. Hatraiza izany no tokony nihatra ny lalàna mifehy ny fifandraisana sy ny serasera, izay isan’ny naverimberina fa tsy ho voasazy an-tranomaizina intsony ny mpanao gazety. Raha ny fisian’ny didy fampisamborana anefa dia mazava fa mbola ny mifanohitra amin’izany no mitranga…
D.R