Lozam-pifamoivoizana namoizana an’olona no niseho tany Mahajanga, omaly maraina. Vokany : maty tsy tra-drano ny mpamily ny fiara iray, naratra mafy koa ny olona niaraka nipetraka taminy teo akaikiny. Mpanampy sy vehivavy iray mitaizakely.
Ny loharanom-baovao no nahafantarana, fa eo amin’ny 13 km alohan’ny hidirana ny tananan’i Mahajanga no niseho ity loza ity. Fiara Sprinter iray nitondra entana no nifandona mafy tamina kamiao, feno entana ihany koa. Ireo rehetra nahita dia samy nitolagaga avokoa. Araka ny filazan’izy ireo, fandehanana mafy no nahatonga ity loza ity. Tsiravina ihany koa ny rehetra nahita ny vokatr’izany. Potika tanteraka ny lohan’ilay Sprinter, voaterin’ny « volant » teo amin’ny tendany ilay mpamily ary ohatran’ny nihantona mihitsy izany. Nikatona tanteraka nanakenda azy ny tafon’ilay fiara nentiny. Io no nitarika ny fahafatesany teo no ho eo. Ilay namany, hita amin’ny sary, nikipily niankavanana ary voalaza fa naratra mafy. Hatramin’ny fotoana nanoratana, omaly, mbola manaraka fitsaboana izy. Ankoatra izany, potika tsy nisy azo noraisina intsony ilay Sprinter. Niparitaka avokoa ny fitaratra teo aloha. Tafahodina niverina kosa ilay kamiao. Naratra koa ny mpamily azy io, hoy hatrany ny vaovao. Izany rehetra izany no hilazana fa tena nandeha mafy tokoa izy io. Manampy iny ny fitsanganana vavolombelona nataon’ireo izay nanatri-maso.
Vao niseho ny loza dia efa tonga teny an-toerana ny zandary nijery ny zava-nisy.
Matetika, hoy ny mponina manamorona iny lalana iny no itrangana loza alohan’ny hidirana ny tananan’i Mahajanga. Misy mantsy ireo mpamily alaim-panahy handeha mafy na dia tery aza ny lalana. Mangataka ny olona ny amin’ny tokony hanampiana dongona famerana ny hafainganam-pandeha amin’iny lalana mahitsy iny.
r.s.