- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Hetsika fampandrian-tany, dahalo 12 maty, 37 azo sambo-belona

Tsiroanomandidy : Hetsika fampandrian-tany, dahalo 12 maty, 37 azo sambo-belona

Mitohy tsy mijanona ny hetsika fampandrian-tany any amin’ny Faritra Bongolava sy Menabe. Amin’izao fotoana izao, nisy ny vokatra azo. Dahalo 12 no maty ary 37 azo sambo-belona. Amin’ireo tratra ireo, nisy ny efa natolotra ny fitsarana ka roa no efa nampidirina am-ponja vonjimaika ary ny 26 novotsorana taorian’ny fanadihadiana azy. Ankoatra izany, nisy ny fisavana natao ka basim-borona roa calibre 12 tsy misy taratasy no tratra. Omby eo amin’ny 68 no tafaverina hatramin’izao ary mbola tazoninin’ny tompon’andraikitra. Tany amin’ny kaominina Tsiroanomandidy aloha no nahazoana izao voakatra izao.

Ny voalohan’ny volana desambra teo no natao ny hetsika fampandriana fahalemana ny any amin’ny faritra roa voalaza etsy ambony. Noraisin’ny mpitandro filaminana izao fepetra izao taorian’ny asan-dahalo navaivay tany amin’ny tanàna maro any an-toerana. Manao rodobe miisa hatrany amin’ny zato ireo mpangalatra omby. Voalaza fa nampiasa basy maherivaika ry zalahy ireo ary nisy mihitsy ny mpitandro filaminana namoy ny ainy. Tsy maintsy natao ny hetsika, hoy ny tompon’andrikitra voakasik’izao zavatra izao. Fantatra fa anisan’ny faritra lazaina fa mena ny an-toerana raha resaka halatra omby sy herisetran-jiolahy no resahina. Saika isan’andro no mahazo vaovao ny mpanao gazety mikasika izany asa fampihorohorona izany. Voatatitra araka izany ny fandrobana, famonoana olona, fanolanana sy herisetra isan-karazany. Mbola mitohy ny hetsika fa tsy mijanona, hoy ny vaovao.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici