- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Ramatoa avy nivavaka naratra nodomin’ny môtô

Toliara : Ramatoa avy nivavaka naratra nodomin’ny môtô

Renim-pianakaviana iray manodidina ny 40 taona eo ho eo no naratra mafy torana tsy nahatsiaro tena, nodomina môtô, afak’omaly, tany Toliara. Raha ny fantatra dia avy nivavaka ity ramatoa ity hamonjy fodiana niaraka tamin’ny zanany roa izao tra-doza izao. Teo am-pitana ny arabe izy no voadonan’ny kodiaran-droa nandeha mafy, ka nipitika ary nitrosina tamin’ny tany. Voadona mafy ny lohany ary nivoaka rà avy hatrany ny sofiny, ka safotra avy hatrany ny niharam-boina. Nianjera ihany koa ilay mpitondra môtô saingy tsy naratra firy izy, fa ny fananany kosa no nahitana fahasimbana, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici