Ny sakafo no tena lasibatra amin’ireo entana lany daty amidy eny an-tsena ireo. Nanao bemidina nanomboka ny alakamisy teo, ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny sampandraharahan’ny varotra ka tamin’izay no nahitana ireo tsy fanarahan-dalàna samihafa.
Nandritra ny fisavana no tsikaritr’ireo tomponandraikitra fa raha vao nokosehina ny soratra teo amin’ilay fonosana, dia maty avy hatrany. Tsy entana iray anefa io fa maromaro. Teo ihany dia nandray fepetra izy ireo ny nandraoka ireo entana ka nogiazana tsy azo amidy intsony.
Manoloana io, nanao antsoavo ireo tompon’andraikitra mba samy ho mailo ny mpanjifa amin’ireny entana miparitaka eny rehetra eny ireny. Mety hiteraka fanapoizinana mantsy izany raha toa ka tsy voatily mialoha ary mety hitarika hatrany amin’ny fahafatesana mihitsy aza indraindray.
Noho io tranga io koa, dia nanao fanambarana ireo avy ao amin’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa eto Mahajanga, fa hanara-maso akaiky ny fanapariahana ireo entana ireo. Nilaza izy ireo fa hidina ifotony koa hiaraka amin’ireo avy ao amin’ny sampandraharahan’ny varotra mba ho tombontsoan’ny be sy ny maro.
Ny vaninandro faran’ny taona manakaiky fety tahaka izao tokoa, no fanararaotan’ny maro eo amin’ny tsena ataony. Na izany aza, entana mahafeno fepetra ihany no tokony hatolotra ny mpanjifa. Betsaka ireo minia tsy manara-dalàna mba hahazoana tombony nefa fanararaotana mety hiteraka fatiantoka hatrany amin’ny famoizana ain’olona mihitsy raha toa ka tsy misy fitandremana dieny izao. Fitandremana izay mitaky fandraisana fepetra hentitra ihany koa avy amin’ireo tompon’andraiki-pahefana, satria tsy ny mpivarotra madinika ihany no tokony hanaovana haza lambo fa hatramin’ireo tranombarotra lehibe mpamongady aza dia tokony hanaovana fanaraha-maso akaiky daholo.
Tantely Vandriam
Tsenam-barotra eto Mahajanga : Efa miparitaka sahady ireo entana lany daty
Articles qui pourraient vous intéresser