Vao henon’ny olona ny toerana nitondràna ireo voarohirohy ho jiolahy dia avy hatrany dia nizotra nankany ireo. Ny marainan’ny alatsinainy teo, noterena hivoaka tao amin’ny hopitaly izay nitsaboana azy ireo roa lahy. Ireo farany dia voasambotry ny mpitandro ny filaminana ary naratra nandritr’izany. Nentina notsaboina tao amin’ny hopitaly ary teo no nalain’ny vahoaka vao maraina. Tsy namelan’ny fokonolona raha tsy tafavoaka tao. Samy nidaroka teo avokoa ka ny tena niteraka ny fahafatesana dia ny vely tamin’ny kibay. Tsy nijanona izany raha tsy efa tsy nihetsika intsony ireo roa lahy. Tao Befandriana avaratra no nisehoan’izany fitsaram-bahoaka izany. Mpivaro-mandeha no norobain’ny andian-jiolahy ny alin’ny alahady teo. Nisy avy hatrany ny fanarahan-dia nataon’ny mpitandro ny filaminana ka nahavoasambotra ny roa tamin’ireo olon-dratsy. Naterina teny amin’ny hopitaly mba hanavotana ny ainy. Saingy zavatra hafa no nitranga rehefa nitaky fitsaram-bahoaka ny olona ny marainan’iny. Misesy ary tsy nisy voafehy mihitsy ny fitsaram-bahoaka izay nitranga tao anatin’ny telo volana izay. Ny tsy fananan’ny vahoaka fahatokisana intsony ny fitsarana no tena antony mahatonga izany. Be loatra ireo noheverina fa tokony higadra an-taonany maro kanefa hita miriaria, tsy nahavita ny saziny akory. Be loatra ihany koa ireo noheverina fa tsy tokony hotazomina am-ponja kanefa dia nidoboka noho ny antony tsy mazava. Ny ao anatin’ny sain’ny olona rehefa tsy voafaritra tsara ny antony fanapahan-kevitry ny mpitsara dia kolikoly avy hatrany no lasa eritreretina. Matetika koa anefa rehefa anontaniana ireo dia ny fahaleovan-tenan’ny mpitsara sy ny tsiambaratelon’ny famotorana hatrany no miverimberina. Izany tsy fampahafantarana ny olona izany no lasa miteraka fahasorenana ary mizotra matetika any amin’ny fitsaram-bahoaka.
D.R