- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMpanendaka 7 lahy nosamborin’ny polisy

Mpanendaka 7 lahy nosamborin’ny polisy

Teo anolaon’ny firongatry ny asa fanendahana sy sinto-mahery isan-karazany, nisy ny hetsika nataon’ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Isotry. Nanomboka ny zoma lasa teo ka hatramin’ny alahdy faha-11 desambra, nisy ny fisamborana natao ka fantatra fa mpanendaka miisa fito no tratra. Fitarainana be dia be no tonga teny amin’ny mpitandro filaminana. Matahotra an’ireo bandy ireo ny mponina satria tena anisan’ny mpandravarava eny amin’ny faritra maro izy ireo. Tanisaina amin’izany ny eny Isotry, Andavamamba, Petite Vitesse sy ny toerana maro mpiantsena. Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny polisy avy ao Isotry, ny avy ao Tsaralalana ary ny tompon’andraikitry ny fokontany no nahazoana izao voaktra izao. Rehefa tratra ry zalahy ireo ary nohadihadiana dia niteny fa tsy mandeha irery ny bandy fa manao andiany. Manana antsy maranitra any ambalahany any. Mbola tena tanora avokoa ireo traingo ireo. 17 taona ka hatramin’ny 19 taona ireo bandy voasambotra ireo ireo. Hilazana izany fa tafaroboka amin’ny asa fanendahana ny tanora. Tsy vao izao anefa no fantatra izany fa efa hatramin’ny ela. Maro amin’izy ireo no tsy manana asa hivelomana.

Manoloana ny firongatry aa fanendahana indrindra amin’iao ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona izao, misy ny fanentanana ataon’ny mpitandro filaminna eto andrenivohitra mangataka fiaraha-miasa. Ireo rehetra manana vaovao dia tsy tokony hijanona amin’izao fa hanaitra ny mpitandro filaminana. Afaka mampandre, manatona ireo tompon’andrikitra izay ireo. Manamafy ireo mpitandro filaminana ireo fa mijanona ho tsiambaratlo ny vaovoa hampitaina aminy.

Ho an’ny polisy eny Isotry, tsy mijanona eo akory ny hetsika fa mbola mitohy hatrany indrindra amin’izao ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona izao. Masika dia masika ny asan-jiolahy amin’ny faritra maro. Tsy lazaina intsony fngaronam-paosy eny anaty fiara fitanterana.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici