- Publicité -
samedi, novembre 22, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIvato : Nihazakazaka maraina dia very ny fiara

Ivato : Nihazakazaka maraina dia very ny fiara

Matetika mihitsy no manao fanadihadiana momba ny halatra fiara ny zandary. Naharay fitarainana ny borigadin’Ambohidratrimo momba ny fisian’ny fahaverezana fiara tsy mataho-dàlana iray. Mba nanao fanatanjahantena vao maraina teny Mamory-Ivato ny tompony no nanararaotan’ny mpangalatra nakana ny fiarany. Nifandraika tamin’izay ihany koa, andro
vitsy taty aoriana, no nahazoan’ny zandary vaovao momba ny fisian’ny lehilahy iray nikasa hanolo laharan’ny fiara. Izany hoe teny amin’ireny mpanao asa-tànana mpanao laharan’ny fiara ireny no natonin’ny mpangalatra. Nisy ny fisamborana nanomboka teo rehefa ren’ny zandary ny zava-niseho. Nanintona ny sain’ny mpanao fanadihadiana izany ary nidirany lalindalina kokoa. Vokatr’izany dia hita teny Faralaza-Talatamaty ny fiara very, efa mipetraka tsara ao an-tranon’olona. Olona efatra no indray nosamborina rehefa voarohirohy ho niray tendro tamin’ny fanatontosana ny halatra. Ny iray tamin’ireo dia tsy iza fa namana akaiky ny tompon’ny fiara ihany ary izy aza dia nanana ny lakile mitovy tamin’ny fiara. Tsy ampoizina intsony ny ratsy…
D.R.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici