- Publicité -
samedi, novembre 22, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahabo : Omby 200, lasan’ny dahalo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika

Mahabo : Omby 200, lasan’ny dahalo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika

Saika manerana ny Nosy nandrenesana ny asan-dahalo tato ho ato, ary ny maha lasa saina ny mpanara-baovao, fa arakaraka ny filazan’ny tomponandraikitra fa hisy ny fepetra horaisina amin’ny ady amin’ny halatr’omby arahina vono olona, no vao mainka mampahery vaika ny fanafihana. Afak’omaly, dia nitrangana fanafihan-dahalo nahery vaika indray tany amin’ny distrikan’i Mahabo, ka malaso am-polony nirongo fitaovam-piadiana nahery vaika nandroaka omby  200 tany an-toerana. Noho ny hery tsy mitovy, dia tsy sahy nanohitra ny mponina ka niliba ireo mpanani-bohitra. Efa dify lavitra ireo mpandroba, hoy ny vaovao voaray, izay vao raikitra ny fanarahan-dia, ka mbola karohina ireo dahalo miaraka amin’ny omby nangalariny hatramin’izao.
Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici