Raim-pianakaviana iray manodidina ny 40 taona eo ho eo no naratra mafy nokaikerin’ny alika, ny alin’ny alatsinainy teo, tany Toliara. Raha ny fantatra dia mamo ity lehilahy ity tamin’io fotoana io, ka izy handeha hody iny teny an-dalambe no nifanehitra tamina andian’ alika maromaro mpirenireny amin’ny alina, ka avy hatrany dia nokaikerin’ ireo alika masiaka rehefa avy nenjehiny, ka naratra ny vantany iray manontolo hatramin’ny lohany. Tsy afaka niaro tena sy nitsoaka ilay rangahy mamo, ary akanjo sy pataloa rovitra kotsa rà nentina nody. Tonga tao an-tranony izy dia safotra tsy nahatsiaro tena, ka nentin’ny vady aman-janany namonjy toeram-pitsaboana haingana. Na dia efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy aza ity lehilahy ity, dia mbola atahorana ny ainy noho ny fahaverezan-drà be loatra sy ireo nofo niala tamin’ny vatany, hoy ny vaovao. Mila mitandrina ny rehetra amin’izao andro mafana migaingaina izao, fa tsy vitsy amin’ ireo alika mirenireny no tratran’ny haromotana, ka hanairana ny sain’ny tomponandraikitra, satria sady mandratsy endrika ny tanàna izy ireo no mety hampidi-doza ny fiarahamonina ihany koa.
Eric Manitrisa