Mivoatra hatrany ny fomba fisehoan’ny heloka bevava eto an-drenivohitra. Fiara tsy mataho-dàlana tsara tarehy no nentin’ny jiolahy efatra. Teo Mahamasina, nosakanan’izy ireo ny taxi tao aorinany ary mazava hoazy fa tsy niahotra ny mpamily ilay fiarakaretsaka, satria mety mba ho tsaratsara ny saran-dàlana raha olona mandeha 4×4 izany. Saingy ny nifanohitra tanteraka tamin’ny eritreriny no nitranga. Rehefa nandeha kelikely ny fiara ka nahazo maizimaizina, avy hatrany dia nokendain’ireo olon-dratsy ny mpamily ary nariana tetsy Fort-Voyron rehefa tsy nihetsika intsony. Nentin’ireo niaraka taminy ilay taxi peugeot 106 izay anton’ilay heloka bevava mazava hoazy. Ny tsy fantatr’ireo jiolahy dia ny hoe tsy maty ilay mpamily. Nipetraka ny fitarainana teny anivon’ny zandary etsy Ankadilalana ary nanomboka teo no nisokatra ny fanadihadiana. Roa andro taorian’izay dia hita teny Ambohimirary ny fiara ary efa niova tanteraka ny endriny. Ny loko sy izay mety nitovizany tamin’ny teo aloha dia efa novaina avokoa. Saingy nisy marika nahafantaran’ny tompony azy ka tsy azo nihodivirana intsony teo ny fisian’ny halatra. Olona dimy ny totalin’ireo tao anatin’ny tambajotra ary samy voasambotra avokoa ireo. Ny roa no nikasi-tànana sy nifofo ny ain’ilay saofera ary koa naka ny fiara. Ny roa hafa indray no tomponandraikitra tamin’ny fanovàna ny endriky ny fiara. Ary ny fahadimy farany dia ny tompon’ilay fiara 4×4 izay fitaovana nentina nanatontosana ny halatra. Natolotry ny zandary ny fampanoavana ireo olona izay samy niaiky ny heloka niampangana azy avy. Mirongatra ny halatra fiara raha araka ny fanazavan’ny zandary ary mila mailo tanteraka izay manana, indrindra fa ireo fiara fitaterana izay tena ataon’ny jiolahy lasibatra.
D.R.
Mahamasina : Telo lahy mitaingina 4×4, nangalatra taxi
Articles qui pourraient vous intéresser