Miisa 800 ny zandary izay hiasa mandritra ny fetin’ny krismasy sy faran’ny taona. Nohazavain’ny Kolonely Ravoavy Zafisambatra, lehiben’ny vondrom-pileovan’ny zandarimaria eto Analamanga, izany omaly. Hampitoviana amin’ny fitandroana ny filaminana nandritra ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia ny fetin’ny krismasy sy faran’ny taona. Nomarihany fa ny volana desambra no tena mirongatra ny asan-jiolahy eto an-drenivohitra. Ny vaky trano sy ny sinto-mahery no tena manamarika an’izany. Nentin’ity manamboninahitry ny zandary ity hanentanana ny olona izany mba hametraka olona hatrany ao an-trano ary koa mba ho mailo, indrindra amin’ny fivezivezena amin’ny alina. Isan’ny hamafisina amin’ny fanetsehana zandary marobe ity ny fanaraha-maso ny fiara mivezivezy amin’ny lalam-pirenena.
D.R