Trano iray misy fianakaviana maromaro mipetraka ao aminy no nataon’ny afo lasibatra. Ny anton’izany, raha araka ny fanazavan’ireo olona teny an-toerana, dia noho ny fiakaran’ny herinaratra tampoka nitarika ny afo. Tapaka aloha ny jiro talohan’izany ary rehefa niverina dia nivadika afo avy hatrany ny herinaratra. Tao anatin’ny haizina rahateo no nitranga ny firehetana ary mainka koa nananosarotra ny famonoana ny azy. Vokatr’izany dia potika hatrany amin’ny 95% any ilay trano sy ny entana tao anatiny. Mba tsy nisy ny aina nafoy na nahery vaika aza ny afo. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina, saingy raha ny filazan’ny olona hatrany dia fiara zara raha nisy rano no namonjy ny afo. Voatery niverimberina arak’izany izay vao tena voafehy ny afo sy izay mety ho fiparitahany. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe, mba hisy ve ny fanonerana ireo zavatra simba sy may avy amin’ny Jirama raha toa ka tena voaporofon’ny olona tokoa fa fiakaran’ny “courant” no nitarika ny loza? Tsy teny amin’io toerana io ihany no fantatra fa nisy firehetana, fa araka ny loharanom-baovoa hafa, nahitana fahamaizana koa teny amin’ny faritra Ankadindramamy. Ireo olona avy niasa alina handeha hody no nahamarika fiaran’ny mpamonjy voina maromaro teny an-toerana. Tsy mbola fantatra aloha hatramin’izao ny zavatra may teny an-toerana.
D.R