Ny alarobia teo no raikitra ny fifandonana tamin’ny dahalo rehefa natao ny fanarahan-dia tamin’izy ireo. Izany dia taorian’ny nangalàn’ireo farany omby 170 nandritra ny fanafihana. Nanara-dia ny fokonolona sy ny tafika ary rehefa tonga tao anatin’ny kizon’Analatelo no niatomboka ny fifanandrinana. Tao anatin’izany no nahalavo ny miaramila iray sy olona vitsivitsy izay mbola tsy azo mazava ny tena isany marina. Nihemotra ny olona ary niantso zandary izay nanohy indray ny fanarahan-dia. Misesy ny miaramila namoy ny ainy rehefa nanao fanarahan-dia niaraka tamin’ny fokonolona. Mbola tany amin’iny faritra iny ihany koa no nisy iray lavo tamin’ny volana novambra. Mahery vaika ny fidinana an-tsehatra ary matetika dia ny tsy fahampiana isa no miteraka ny fahafatesan’ireo miaramila; izay lasa manao vy very ny ainy ao anaty akata mba ho fiarovana ny fokonolona. Mila fandaminana satria efa mahazo hery koa ny dahalo amin’izao fotoana rehefa tonga eny amin’izy ireo ny AKM. Manarak’izay, manana tombony izy amin’ny fahafantarana ny karazana kizo ao amin’ny taniny.
D.R