- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihan-jiolahy : Miparitaka any ambanivohitra ny kalachnikov

Fanafihan-jiolahy : Miparitaka any ambanivohitra ny kalachnikov

Andian-dehilahy manao salaka dia mitazona lefona na basim-borona. Izay no kisary an-tsain’ny olona eto Andrenivohitra momba ny dahalo. Saingy efa tsy izany intsony ny zava-misy ankehitriny raha oharina amin’ny fanafihana izay nitranga tato ho ato. Vatan-dehilahy marobe mitazona AKM (kalachnikov) ary mitifitra avy hatrany, izany no iainan’ny olona any ambanivohitra. Asan-dahalo fito no nitranga tao anatin’ny roa andro (14 sy 15 desambra) ary nisy fampiasana izany fitaovam-piadiana izay tsy misy afa-tsy ny mpitandro ny filaminana no tokony hanana alàlana hampiasa azy. Nisy mihitsy aza ny fokonolona maty ary koa mpitandro ny filaminana rehefa nanao ny fanarahan-dia ka nifanehitra tamin’ireo olon-dratsy. Tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambia, dahalo 35  no nanafika ny tanàna ary naka ny omby  135 rehefa avy nitifitra nahafaty ny roa tamin’ireo fokonolona. Tany Andilamena, nidiran’ny dahalo mitazona AKM tao an-tranony, ny rangahy iray ary notifirin’ireo ka maty tsy tra-drano. Nalainy ny vola mitentina 400.000 ariary sy ny entana tao an-trano. Mbola basy AKM ihany koa no nentin’ny andian-dehilahy nifampitifitra tamin’ny pôlisy tao Andilamena ihany. Avy nanafika tany Soanierana-Ivongo sy Fenerive ireo lehilahy ireo ka nitsoaka tany Andilamena. Efa nahazoan’ny pôlisy vaovao anefa izany ka napetraka ny barazy tao an-toerana. Ireny taxi-moto ireny no nofain’ireo olon-dratsy mba hanatontosany ny fitsoahany. Nambanana basy ny mpitondra ny moto ary tsy navela hijanona teo amin’ny barazy. Nisy ny roa azo sambo-belona rehefa raikitra ny fifampitifirana fa nisy roa hafa kosa mbola niezaka  nitsoaka. Voatifitra ireo tao anatin’izany. Nataon’ireo tao anaty gony ny vola mitentina 10 tapitrisa ariary mahery ary hita tao ihany koa ny fitaovam-piadiana samihafa, toy ny: basy PA makarov, basim-borona, teaser (herinaratra), izany dia ankoatra ilay AKM nampiasaina. Ampahany tamin’ny asan-jiolahy sy asan-dahalo izay nitranga ihany ireo, satria tsy misy afatsy izany ny tatitra niakatra taty Andrenivohitra avy amin’ny mpitandro ny filaminana. Toe-javatra izay manamarina, fa tsy milamin-tsaina ny tambanivolo noho ny afitsoky ny mpanafika, ary tena tsy milamina lavitra noho ny an’ny olona an-tanàn-dehibe aza ny zavatra iainan’izy ireo isan’andro raha tena dinihina. Olona an-jatony matetika no indray manafika no sady mamono avy hatrany miaraka amin’ny basy izay ampiasainy. Ao anatin’ny fotoana fohy dia vita ny asaratsy ary tsy misy na inona na inona azo atao ankoatra ny miandry azy ireo mandeha dia manao ny fanarahan-dia mahazatra. Avy aiza ny fitaovam-piadiana AKM sy PA izay ampiasain’ireo? Inona no antony hamonoany olona isaky ny manafika?

D.R

 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici