- Publicité -
lundi, octobre 27, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Halatra moto, votsotra ireo nanao izany

Toamasina : Halatra moto, votsotra ireo nanao izany

Lehilahy iray no nitaraina fa very nisy nagalatra ny motoany tamin’ny fiandohan’ny volana janoary 2016. Nametraka fitoriana tany amin’ny mpitandro filaminana avy hatrany ity olona ity. Nataony ny fikarohana ny fananany. Tamin’ny fiandohan’ny volana novambra teo anefa, nahita olona nitondra ilay moto izy ary narahany, satria fantany tsara ny fananany na dia efa nosoloina aza ny nomerao.  Teo no ho eo dia naintso ny polisy avy ao amin’ny FIP ilay tompony. Nentina tany amin’ny biraon’ny polisy ilay kodiran-droa sy ilay olona nitondra azy. Rehefa teny an-toerana, tsy nisy na taratasy iray aza nanamarina ny maha fananan’ity olona ity an’ilay kodiran-droa. Nandeha ny fanadihadiana. Ny voavao nampitaina taty amin’ny gazety no hilazana fa teo dia nisy ny antso an-telefonina nifanaovan’ilay voatondro ho nangalatra. Ny tompon’ny moto no niteny fa tompon’andrikitra ao amin’ny fitsarana no nantsoiny. Rehefa teo anivaon’ny fitsarana, nampiseho taratasy maromaro ilay nahatratrarana ny moto nilaza fa efa « épaves » teny amin’ny seranantsabo no novidiany. Nihazakazaka ny fandehan-javatra ary farany moa, noafahan’ny fitsarana madiodio ireo nahitana ny moto. Eo anatrehan’izany, milaza ny alahelony ny tena tompon’ny moto ary mitaraina amin’ny tompon’andrikitra hanaraka akaiky izao halatra izao.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici