- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Tsy mifandefitra ny kamiao, tapaka adiny telo ny làlana

Toamasina : Tsy mifandefitra ny kamiao, tapaka adiny telo ny làlana

kamiaoSamy olana goavana amin’ny fivezivezen’ireo kamiao eto Toamasina ny tsy fisian’ny fifanajana sy fifandeferana eo amin’izy ireo. Efa betsaka ny loza nateraka izany ka isan’izany ity nitranga ny sabotsy maraim-be ity tamin’ny lalana “boulevard de l’Ivondro” tao amin’ny fokontan’Anjoma ity. Fiara vaventy roa samy mitondra kaonterena hiazo an’Antananarivo, sy samy nandeha mafy no nifampisongona tao anatin’ny lalana efa tery noho ity kamiao iray mifanena amin’izy ireo hamonjy ny seranan-tsambon’i Toamasina. Vokany ny kamiao iray nivarina tao anaty lalan-drano saingy tsy naninona loatra, ny faharoa kosa nifandona mafy tamin’ilay kamiao nifanena taminy izay tena potika tanteraka ny lohan’ny fiara roa. Tsy nisy aloha ny maty nandritra ny fifandonana mafy teo amin’ireo kamiao roa, saingy ny fahasimba no betsaka izay tena mila fanamboarana tanteraka. Voabahana nandritra ny ora telo ny lalana izay fandehanan’ireo kamiao mamonjy ny seranan-tsambo maka entana, voatery nakana fitaovana fibatana entana mihintsy ireto kamiao roa nibahan-dalana sy nibatana ny kaontenera teo ambonin’ny iray an-dalana hiazo an’Antananarivo hanatitra entana tokony ho tonga ny alahady tamin’ny tompony…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici