Manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana ankehitriny,dia miezaka amin’ny fomba rehetra mitady izay mahasoa ny olona ka misy mihitsy ny mahavita mandao ny fonenany sy ny toerana niaviany. Ho an’ity raim-pianakaviana iray ity, hiary no nandaozana ny tanàna nahalehibe azy kanefa dia fahafatesana no azo. Akory ny hatairan’ny mponina ao Sambava raha nahita faty nitsirara tanaty bozaka teo amin’ny seranam-piaramanidina Ambodisatrana, ny alakamisy 15 desambra manodidina ny tamin’ny dimy ora hariva. Rehefa natao ny fanadihadiana, dia fantatra fa valovontaka avy eto Antananarivo, Ambohidratrimo raha ny marimarina kokoa, ity hita faty ity. Tao aorinan’ny nahafatesan’ny vadiny, dia lasa tsy naharitra tamina faritra iray izay intsony izy raha tsy izao indray satria efa 20 taona teo no naha mpila ravin’ahitra azy tany an-toerana. Raha araka ny nambaran’ireo olona mifanerasera aminy, ny marainan’io andro nahitana ny fatiny io dia mbola hitan’ny olona nivezivezy teny Sambava. Mananika ny faha-45 taonany ity raim-pianakaviana ity izao nindaosin’ny fahafatesana izao.
Kanto R. (Stagiaire)