- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Miaramila 22 taona, namoy ny ainy amperin’asa

Tsiroanomandidy : Miaramila 22 taona, namoy ny ainy amperin’asa

Manjaka ny asan-dahalo, ny fangalarana omby miampy vono olona any amin’ny faritra samihafa rehetra any. Antony nanatanterahina ilay atrik’asa izay miompana tanteraka amin’ny famerenana ny fahalemana hiadiana amin’ity asan-dahalo ity any amin’ny faritra avaratra sy andrefan’ny Madagasikara iny. Tany amin’ny faritra Tsiroanomandidy no nanombohana izany moa, tsy ela akory anefa fa ny alarobia 14 desambra dia miaramila vao erotrerony, 22 taona, no lavon’ny balan’ny dahalo nandritra ny fifandonana. Nanohitra ireo dahalo ka voa teo amin’ny farahatoka sy ny tongotra ka  izao nitarika tamin’ny fahafatesany izao. Andro aman’alina teto ny  fifanenjehana ka ankoatra ilay mpitandron’ny filaminana dia dahalo roa  hafa ihany koa no namoy ny ainy. Tafiditra tao anatin’ny hetsika fampandrian-tany any amin’ny faritra Tsiroanomandidy ity tranga nahafatesana miaramila ity izay nandefasana miaramila an-jatony tany amin’ny fiandohan’ny volana desambra teo. Nihena iray indray izany, manampy ireo efa maro lavo amperin’asa, ny . Ny sabotsy 17 desambra no nigadona tao Amparafaravola ny nofo mangatsiakan’ity mahery fon’ny firenena ity ary natao veloma farany ara-pomba miaramila  tetsy amin’ny RM1 Analakely.           

Kanto R. (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici